Masy Goulamaly: « Tsy azo leferina ny fanomezana kara-panondro zaza tsy ampy taona »

  • dimanche, 08 décembre 2019 15:26
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Toy ny fifidianana rehetra niseho dia tsapa fa nisy tokoa ny lesoka, ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany, ny fividianana ireo delegen’ny hafa. Nisy ireo lisi-pifidianana tsy tomombana, sns… hoy i Masy Goulamaly, Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan'i Tsihombe, Faritra Androy.

« Fa ity lesoka iray ity no tena tsy azo leferina, dia ny fanomezana kara-panondro zaza tsy ampy taona ary an-jatony maro, izay asaina mandatsa-bato, satria hono voasoratra ao anaty lisitry ny mpifidy», hoy i Masy Goulamaly.

« Manambara ho ren-tany, ho ren-danitra, fa fotoana izao ny hamongorana ireo " tambazotra " izay mpanao sy nanantanteraka izany hosoka izany », hoy ity Solombavambahoaka ity.

« Atao vaky batsilana daholo izany rehetra izany, mba hahitana ny tena marina, satria tany tandalàna i Madagasikara », hoy ny fanambarana nataony tao amin’ny pejiny facebook.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.