Roland Ratsiraka: « Tsy hanaiky valim-pifidianana feno hosoka »

  • mercredi, 11 décembre 2019 21:23
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanao fanambarana ny MTS (Malagasy Tonga Saina), omaly talata namoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika ho an’ny Faritany Toamasina, fa « tsy hanaiky valim-pifidianana feno hosoka » fa « hiaro hatramin’ny farany ny safidin’ny vahoakan’i Toamasina ».

Kandidan’ny MTS (Malagasy Tonga Saina) tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna teto amin’ny Kaominina ambonivohitra Toamasina ny 27 novambra 2019, i Roland Ratsiraka.

« Nandritra ny 20 taona, MTS dia nandray anjara hatrany tamin'ireo fifidianana fa tsy mbola nahita hala-bato sy tsy fanarahan-dalàna tafahotra toy ny tamin'ity fifidianana Ben'ny tanàna izay natao teto Toamasina ny 27 novambra 2019 lasa teo ity », hoy ny fanambarana.

Mitaky ny fanisana ireo voka-pifidianana ao anaty biraom-pifidianana miisa 31 'zay misy ireo bileta tokana tsy manara-dalàna, sy ireo isan'ny voka-pifidianana tsy mazava lotra, miaraka amin'ny isan'ny sonia anaty lisi-pifidianana, ary ny fampitahana ny sonia ao anaty lisi-pifidianana ho an’ny Ben'ny tanàna sy ny lisi-pifidianana nosoniavina tamin’ny fifidianana mpanolotsaina, ny MTS ; ary mitaky ny fanafoanana ny voka-pifidianana rehetra azon'ny kandida anankiray.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.