Diplaomasia: Voaray tao Elysée ny ambasadaoro Rija Rajohnson telo volana taorian’ny nanendrena azy

  • samedi, 14 décembre 2019 12:25
  • Zakaria
  • Sary MAE

Ny talata 10 desambra 2019 Rajohnson Olivier Hugues Rija no tonga tao amin’ny Lapan’i Elysée, nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay, tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron.

Nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 18 septambra 2019 no nandraisana ny didim-panjakana fanendrena an-dRajohnson Olivier Hugues Rija.

Rajaonarivony Narisoa, izay efa nodimandry, no ambasadaoro malagasy farany voatendry niasa tany Frantsa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.