BNGRC: Nomen’i Thaïlande vary 7 200 Kg

  • jeudi, 09 mai 2019 16:57
  • Sary: BNGRC

Ho fanohanana ny Malagasy tra-pahasahiranana monina any Atsimon’ny Nosy, taorian’ny antso tolotanana nataon’ny governemanta malagasy, ity fanomezana vary milanja 7 200 Kg avy amin’ny fanjakana thaïlandey ity ny fiandohan'ny herinandro teo.

Mifanandrify indrindra tamin’ny fametrahana amin’ny fiandrianany ny Mpanjaka Rama X any Thaïlande izao tolotanana mariky ny fanehoana firaisankina amin’ny Malagasy izao, araka ny nambaran’ny mpitantana vonjimaika ny Consulat de Thaïlande eto Madagasikara, Kriwat Phamorabutra.

Nandray ny fanomezana ny minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana Razafimahefa Tianarivelo sy ny Sekretera mpanatanteraky ny BNGRC, kolonely Andriakaja Olivier Elack.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.