Teti-pivoarana ho an’ny Fanabeazana (PSE): Tsy mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Governemanta ny Firaisamonim-pirenana

  • samedi, 17 août 2019 21:42

Nanao fanambarana iombonana, omaly, ny Firaisamonim-pirenana ahitana ny Education Network, Aide et Action ary ny Hetsika ROHY, izay nanao sonia ny PSE (Programme Sectoriel de l’Education) milaza fa tsy mankasitraka velively ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Governemanta samirery ary mangataka ny hiverenany mijery izany mba ho tombontsoan’ny ankizy malagasy sy hitandrovana ny fahalemana ara-tsosialy.

Manainga ireo mpiantsehatra rehatra nanaiky ny PSE ny Firaisamonim-pirenana mba hiaro sy hanaja ny fifanekena niaraha-nanao ary koa mba hitandrovana ny fitokisana ny Fanjakana malagasy izay samy tompony ny rehetra.

Manentana ny mpiantsehatra rehetra ihany koa ny Firaisamonim-pirenana mba hifanakalo hevitra sy hanabe/hanentana ny olompirenena momba ny fanavaozana entin’ny PSE hanatsarana ny fisitrahan’ny rehetra fanabeazana tsara kokoa.

Miangavy ny fahendrena sy ny fahamalinana avy amin’ny Filoham-pirenena ny Firaisamonim-pirenana mba hanararaotra ny fananana sy fampiharana ny teti-pivoarana PSE hanatanterahana ireo velirano nataony tamin’ny vahoaka ary ny ankizy Malagasy rehetra mba hahazo fanabeazana tsara fa tsy misy ho latsa-danja.

Maneho fahavononana hatrany hifanakalo hevitra sy hanome tolo-tanana, ny Firaisamonim-pirenana nanao fanambarana omaly, amin’ny fijerena ny fanatsarana ny fampiharana sy fanatanterahana ny PSE raha tsy kitihina sy tsy lavina ireo singa fototra tena maha teti-pivoarana fanavaozana azy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.