Nosy Be: Nandray ny Fondation ESTHER AJAY avy any Londres ny solotenan'ny Ministeran'ny Mponina

  • mercredi, 21 août 2019 12:18
  • Sary nomena

Tonga teto Nosy Be Hell Ville ny solotenan’ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, nandray ireo mpiara-miombon’antoka sady mpanao asa soa, Fondation ESTHER AJAY avy any Londres.

Fitaovana sy kojakoja maro no nentin’izy ireo tamin’izany. Lakana sy harato ho an’ny fikambanan’ny mpanjono, machine à coudre sy fitaovana fandrahoana ho an’ny fikambanam-behivavy, Efitrano fianarana roa (2) nohavaozina ho an’ny EPP fianaran’ny ankizy.

Nisaotra sy nankasitraka izao fanolorana izao ny solotenan’ny Minisiteran’ny Mponina sady nisolotena ny fanjakana rahateo. Tsapan’izy ireo fa misitraka ny zony tokoa ny ankizy sy ny vehivavy noho izao fanohanana lehibe izao, ary inoana fa hampivoatra sy hampiroborobo ny fikambanana ny fiaraha-miasa amin’ny tsara sitrapo toy izao.

Nanentana ny fifanomezan-tanana ho an’ny fanomezana fahaleovan-tena ny vehivavy, fiarovana amin’ny herisetra avokoa ireo nandray fitenenena. Ankilan’izany dia mbola nanentana ny vehivavy tsy ho menatra mandray andraikitra, manangana fikambanana na miditra anaty fikambanana ahamora ny fiaraha-miasa sy fanarahamaso, indrindra ahafahana mitsinjara ireo fanampiana ny avy teo amin’ny Minisiteran’ny Mponina, izay tonga nisolo tena an-dRamatoa Minisitra, Irmah Naharimamy, taty an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.