Ambanja: Miady amin'ny kolikoly ny Polisim-pirenena

  • mercredi, 21 août 2019 19:53
  • Sary nomena

Ny 19 agositra 2019 lasa teo taty AMBANJA dia nitsangana ny sampana miady amin’ny kolikoly ao amin’ny CSP AMBANJA taorian’ny fandalovan’ny Bianco Antsiranana nanao fanentanana tao amin’ity sampan-draharaha ity.

Ahitana mpikambana maromaro izany sampana izany, ka ny lehiben’ny CSP AMBANJA no Filoha. Izao fihetsika izao no natao dia satria izy ireo ihany no mahafantatra ny trangana kolikoly miseho ao amin’ny toeram-piasany ka izy ireo ihany no mahafantatra ny vahaolana sy ny fomba iadiana amin’izany kolikoly izany.
Nanome toky hatrany andriamatoa filoha fa hiezaka ny hanova sy hanatsara ny kalitaon’ny asa tanterahan’izy ireo mba ho tombotsoan’ny rehetra .

OPERATION BAJAJ

Hetsika famerenana ireo bajaj ho an’ny ara-dalana no nataon’ny Polisy miasa ao amin’ny CSP AMBANJA ny 16 aogositra 2019 lasa teo.

Tsikaritra tato ho ato fa niha nirongatra na lasa gaboraraka tanteraka ny tsy fanarahan-dalana ataon’ireo mpampiasa lalana aty an-toerana fa indrindra ireo mpampiasa ny bajaj. Natao avy hatrany izany hetsika izany mba hisorohana ny mety ho loza aterak’izany tsy fanarahan-dalana izany toy ny tsy fananan’ny bajaj antotan-taratasy ; ny mpamily mba hanaja ny mpandeha ao aminy .
Ny tanjona dia ny hampanara-dalana ny asa fitanterana aty Ambanja

PATROUILLE

Ny 13 aogositra 2019 lasa teo dia nanamafy hatrany ny fisafoana efa fanaony ny Polisy miasa ao amin’ny CSP AMBANJA.
Tsy hiraviravy tanana izy ireo amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana aty an-toerana. Niroso hatrany amin’ny paik’ady hamongorana izany.

Ankoatra ny fampiasana ny fiara misafo amin’ny alina dia misy ihany koa ny fisafoana mandeha an-tongotra amin’ireny toerana tsy azon’ny fiara ireny.
Ny tanjona amin’izany dia ny fitadiavana sy ny fametrahana ny fandriampahalemana ao anatin’ny disitrikan’Ambanja.
AMBANJA mandry fahalemana noho izany no tanjona apetraky ny Polisim-pirenena amin’izao ezaka ataony izao, vonona ny hiara-hiasa amin’ny rehetra izy ireo amin’izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.