Ambohitrambo – Arivonimamo: Kara-tany miisa 500 no nozaraina

  • mercredi, 21 août 2019 21:58
  • Sary: MAHTP

Milamina ny sain’ny fianakaviana aman-jatony tato amin’ny Kaominina Ambohitrambo, Ditsrikan’Arivonimamo, fa misoratra ara-dalàna amin’izy ireo ankehitriny ny taniny, ary efa eny ampelan-tanan’izy ireo ny porofo manamarina izany dia ny Kara-tany.

Kara-tany miisa 500 no nozaraina ny 13 aogositra 2019, vokatry ny fiaraha-miasan’ny tetikasa ARSF sy ny sampan-draharahan’ny Fanohanana ny Fitantanana ny Fananan-tany itsijaram-pahefana eo anivon’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana ary ny Asa Vaventy.

Nanentana sy nampirisika ireo izay tsy mbola manana kara-tany Razafindrakotohary Tiana Richard, Talen’ny Fanohanana ny Fitantanana ny Fananan-tany itsijaram-pahefana mba hikarakara izany haingana. Nilaza izy fa kara-tany 2 000 000 isa no hozaraina manerana an’i Madagasikara ary hiezahana ny hametraka Birao Ifoton’ny Fananan-tany amin’ireo Kaominina rehetra manerana ny Nosy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.