Ambohitrimanjaka: Voavaha ny olana momba ny fitantanan-drano

  • vendredi, 04 octobre 2019 13:07
  • Sary nindramina

Fananganan’ny tantsaha sasany toha-drano tsy ara-dalana tao amin’ny reniranon’i Sisaony no voalaza fa niteraka tsy fahampian-drano, ka naha maina tanteraka ny velaran-tanimbary manodidina ny 1 000 ha, izay mamokatra vary 6 taonina isaky ny hekitara ka tsy afaka nanohy ny asa famokarana ireo tantsaha ao Ambohitrimanjaka, Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga.

Voavaha ny olana ankehitriny ary miverina amin’ny laoniny ny fitantanan-drano ka afaka 15 andro any dia afaka hanohy ny asa famokarany ireo tantsaha.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.