Bakalorea 2019: Fanakorontanana no nandraisan’ny Ministera ny fiparitahan’ny laza adina tamin’ny facebook

  • vendredi, 04 octobre 2019 22:24
  • Sary nindramina

Nitondra fanazavana sy fialantsiny ampahibemaso ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Blanche Nirina Richard manoloana ny savorovoro nateraky ny fiparitahan’ny laza adina mialoha ny fotoana tamin’ny fanadinana Bakalorea 2019.

Raisin’ny Ministera ho fanakorontanana ny fiparitahan’ny laza adina tamin’ny facebook, ary izany hoy ny minisitra no nanamafisana ny fitoriana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana, hanokafana ny fanadihadiana. Nohamafisiny fa « tsy kolikoly na fitadiavam-bola ny zava-nisy fa fanakorontanana tanteraka ». Efa nisy ny olona voasambotra, hoy ny minisitra toy ny « Proviseur »-n’ny lisea Imerintsiatosika, Distrikan’Arivonimamo sady lefitry ny lehiben’ny foibem-panadinana tao an-toerana, sy ny Talen’ny fanadinana nasionaly sady tompon’andraikitry ny Ofisin’ny Bakalorea.

Fialana andraikitra ny fametra-pialana ka hiatrika ny zavatra rehetra aho ary handamina, hotohizako hatramin’ny farany ny famitana ny Bakalorea, hoy ny minisitra ary hanohy ny fanadihadiana ny amin’ny fototr’izao fiparitahan’ny laza adina alohan’ny fotoana izao.

Tsy misy antony tokony hanafoanana ny Bakalorea, hoy hatrany Pr Blanche Nirina Richard, minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.