Toamasina: Hampiantrano ny fankalazana nasionaly ny Andro manerantany ho an'ny fahitana

  • jeudi, 10 octobre 2019 12:42

Lohahevitry ny fankalazana amin’ity taona 2019 ity ny hoe : "Tsinjovy ny fahitanao". Hisy tolotra ara-pahasalamana homena ny vahoaka izay tonga ao amin’ny Lapan'ny tanàna Toamasina anio mandritra ny hetsika.

Hisy fitiliana maso faobe, fitiliana katarakta sy ny aretina hafa mahazo ny maso. Maimaimpoana ny hetsika.

Velirano faha-5 nataon'i Andry Rajoelina, tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny fahasalamana ho an’ny rehetra, tanjona lehibe amin'izany ny fahafahan’ny tsirairay mahazo fitsaboana mendrika sy manaja ny maha-olona.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.