Radaka boka: Mety mandany 60 tapitrisa dolara vao ringana eto Madagasikara

  • jeudi, 10 octobre 2019 16:10
  • Sary fampiaingoana nindramina

Toamasina sy ny manodidina no mby an-tsaina vao “radaka boka” no resahina. Tamin’iny faritra iny rahateo no nahitana sy nandrenesana ny fisiany voalohany teto Madagasikara. Avy any amin’ny faritra Azia any, mety ho Cambodge na Vietnam na Thaïlande no fiavian’ity biby ity, ary niditra teto tamin’ny 2010 - 2011 nanaraka ireo entana tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.

Haingam-pitombo satria manatody eo amin’ny 40 000 isan-taona ny radaka boka. Tombanana eo amin’ny 120 km² ny velarantany efa ahitana io karazan-tsahona misy poizina io amin’izao fotoana, amin’iny atsimon’i Toamasina iny, ary any amin’ny 4 tapitrisa any ny isany raha ny vinavina tamin’ny 2015, araka ny voka-pandinihana nataon’ny Dr James Reardon, avy any Nouvelle-Zélande.

Mikisaka tsikelikely mahavita 2km isan-taona eo ny radaka boka, ary dia miitatra manaraka izay ihany ko ny velarantany rakotra azy. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana dia hanimba zavatra maro ity radaka boka ity.

60 tapitrisa dolara eo no ilaina ato anatin’ny 5 ka hatramin’ny 7 taona vao ho ringana ireo radaka boka ireo, raha izao zava-misy izao, hoy hatrany ny manampahaizana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.