« Jeux de Melaky »: Ambatomainty no hampiantrano ny andiany faha-32

  • lundi, 21 octobre 2019 23:00

Nifarana omaly alahady 20 oktobra 2019 teto Morafenobe ny lalao « Jeux de Melaky » andiany faha-31, nisian’ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy fifanakalozana ara-kolontsaina.

Nanamaloka an’ity andiany faha-31 ity ny ady nifanaovan’ny sivily mpilalao, solontena avy any amin’ny Distrikan’Ambatomainty, sy miaramila avy amin’ny ZRPS Charlie nitranga tao anaty toeram-pisotroana iray tao Antsakoamahavelona ny harivan’ny sabotsy 19 oktobra 2019, tokony ho tamin’ny 5ora.

Niantso namana ilay miaramila taorian'izay. Nisy dimy lahy mitam-basy tonga tamin’ny fiara 4x4, notarihin’ny manamboninahitra iray avy ao amin’ny ZRPS Charlie, naka tamin-kery an’ireo mpilalao avy any Ambatomainty, nitoby tao amin’ny CEG Morafenobe. Niharan’ny vono sy teny mandratra samihafa ireo mpilalao teny an-dalana nitondran'ireo miaramila azy ireo niazo ny tobiny.

Niditra an-tsehatra mivantana ny solombavam-bahoakan’i Morafenobe, Voninahitsy Jean Eugène, niaraka tamin’ny komandin’ny Kaompania Zandarimaria Morafenobe sy manamboninahitra mpandrindra ary inspekteran’ny Polisy iray niaraka tamin’ny filohan’ny Fokontany Morafenobe nandeha tao amin’ny tobin’ireto miaramila ZRPS ireo, nandamina sy nitaky ny hamotsorana ireo mpilalao avy any Ambatomainty nosamborin’ireto miaramila ireto tamin-kery, hitandroana ny filaminana ary nampahatsiahy ny lalàna manan-kery. Navotsotr’ireo miaramila ireo mpilalao taorian’izay.

Ny Distrikan’Ambatomainty no handray ny « Jeux de Melaky » andiany faha-32 amin’ny taona ho avy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.