Fahasalamana: Malagasy 1,3 tapitrisa no voaaro amin’ny tazomoka

  • mardi, 05 novembre 2019 10:13
  • Sary IRS1 - USAID Madagascar / Joss Razafindrakoto

Trano fonenana 280 000 no hofendrahana odimoka any amin’ny distrika dimy tena ianjadian’ny aretina amin'ity taona ity dia Ihosy, Sakaraha, Betioky, Ampanihy ary Toliary-II. Ahafahana miaro olona maherin'ny 1,3 tapitrisa amin'ny tazomoka izany hetsika izany.

Ny fanjakana amerikana no mamatsy vola ny hetsika, amin'ny alàlan'ny Tetikasan’ny Filoha Iadiana amin’ny Tazomoka (PMI), ary ny tetikasa PMI-VECTORLINK no manatanteraka ny asa miaraka amin’ny Fandaharanasa Nasionaly Miady amin’ny Tazomoka (PNLP).

Distrika telo: Ihosy, Betioky, Ampanihy, izay tena ianjadian’ny tazomoka eto Madagasikara, no misitraka izao hetsika famendrahana odimoka izao, amin’izao fanombohana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.