Soamandrakizay: Lasa toeram-pamokarana zanakazo hiatrehana ny taom-pambolenkazo ho avy

  • samedi, 09 novembre 2019 19:50
  • Sary nindramina

Zanakazo manodidina ny 8 000 000 isa no hovokarin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, hiatrehana ny taom-pambolenkazo ho avy izao.

Eny Soamandrakizay, nandraisana ny Papa Ray Masina tamin’ny fitsidihana masina notanterahiny teto Madagasikara ny fiandohan’ny volana septambra 2019 lasa teo, no toerana natokana hanaovana izany ho an'ny Faritra Analamanga.

Ireo mpiasan’ny Ministera no manatanteraka izany teny an-toerana isaky ny Talata sy Zoma.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.