Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo: Nanome fanampiana vola mitentina 500 000 dolara ny Amerikanina

  • mercredi, 13 novembre 2019 22:26
  • Sary nomena

Nanome fanampiana ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo, ny Fanjakana amerikana hikarakarana zaza miisa 15 550 tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any atsimon’i Madagasikara.

Maro ny olona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’iny faritra iny. Miditra eo amin’ny vanimpotoanan’ny maitso ahitra ny faritra atsimon’i Madagasikara ka mahakely ny sakafo azo hohanina. Hividianana sy hizarana famenon-tsakafo vita eto an-toerana ny vola mitentina 500 000 dolara.

Ity famatsiam-bola 500 000 dolara ity dia hampiasain’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo (PAM) hividianana famenon-tsakafo 140 taonina efa vonona ampiasaina (RUSF). Ny RUSF dia famenon-tsakafo misy otrikaina mahavelona, ahitana vitamina sy mineraly. Omena ny olona marefo izy io hitsaboana na hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo. Orinasa eto an-toerana eto Antananarivo no ividianan’ny PAM ny RUSF.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.