Fitantanana « parking »: 20%-n’ny vola ampidirin’ny « Horodateur » Easy Park no mirotsaka any amin’ny CUA isan-taona

  • vendredi, 15 novembre 2019 19:42
  • Sary nindramina

Nitondra fanazavana miakasika ny fitantanana ny fiantsonan’ny fiara na « parking » sahanin’ny « Easy Park » eto Antananarivo Renivohitra ny Sekretera jeneralin’ny Kaominina, Raveloson Landy.

Nambarany fa fifanarahana voasonia tamin’ny taona 2014 no mamaritra fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa Easy Park hatramin’izao amin’ny fitantanana « parking ».

20% amin’ny vola miditra voarain’ny « Horodateur » no mirotsaka any amin’ny Kaominina isan-taona. Voarotsaka ara-dalàna ny vola ary tafiditra ao anatin’ny tetibola iasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra araka ny fanazavan-dRaveloson Landy hatrany.

(Jereo sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.