Fahadiovana: 42% ny mponina eto Madagasikara no tsy mbola mampiasa kabone

  • mardi, 19 novembre 2019 23:51
  • Sary nindramina

19 novambra, Andro manerantany amin'ny fampiasana kabone. Tetsy Anatihazo Isotry – Antananarivo no nanaovana ny fankalazana ofisialy ho an’i Madagasikara, sady nanentanana ireo mponina manodidina ny lakandranon’Andriantany amin’ny fahadiovana, indrindra ny fananana kabone.

Nanambara ny Sekretera Jeneralin'ny Ministeran’ny Angovo, ny Rano ary Ankoranafo, Rakotoarisoa Indriamanga fa « Manodidina ny 42% ny mponina eto Madagasikara no mbola tsy mampiasa kabone, na lavapiringa na WC amin’izao fotoana izao ».

Nandritra ity fotoana ity no nampatsiahivana sy nanentanana ny tsirairay avy ny tokony hananana kabone isan-tokatrano, satria dia zava- dehibe ny fitandrovana ny fahadiovana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.