Mpilatsaka an-tsitrapo Peace Corps: Nisy 40 nanao ny fianianany

  • mercredi, 20 novembre 2019 07:48
  • Sary nomena

Nanao ny fianianany ny talata 19 novambra, teo anatrehan’ny Masoivoho Amerikana Michael Pelletier, ny mpilatsaka an-tsitrapo Peace Corps vaovao miisa 40. Notanterahana teny amin’ny tranon’ny Masoivoho Amerikana teny Ambaranjana ny lanonana momba izany ny tolakandro.

Hiasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana ny teny anglisy ireto mpilatsaka an-tsitrapo ireto.

Naharitra 11 herinandro ny fihofanana izay nianaran’izy ireo ny kolontsaina sy ny teny ary ny teknika ilainy mandritra ny asa hataony eny anivon’ireo fiarahamonina samihafa manerana an’i Madagasikara, izay hampiantrano azy ireo mandritra ny 2 taona manaraka.

Hanatevin-daharana ireo mpilatsaka an-tsitrapo hafa miisa 115 efa amperin’asa eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny tontolo ambanivohitra ary ny fahasalamana, izay mipariaka manerana an’i Madagasikara ireto mpilatsaka an-tsitrapo Peace Corps ka nanao fianianana ireto.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.