Fiantohana: Namory ny mpanao gazety ny teo anivon’ny filan-kevim-pitantanana orin’asa MAMA sy ireo solon-tenanan’ny mpiasa

  • mardi, 10 décembre 2019 15:44
  • Sary Njaka

Mijoro izy ireo ankehitriny miaro ity orin’asa ity satria dia ho averina ho potehina indray ve ny MAMA hoy izy ireo? Misy ireo mitonona ho tompon’ny MAMA sy manalabaraka azy isan’andro.

Tonga ny fotoana ankehitriny hoy izy ireo hilazana ny zavatra marina, dia tsy iza izy ireo fa ny zanaka lahy ny PCA teo aloha tao amin’ny MAMA, izay anisan’ny namotika sy nampibaby trosa amina miliara ariary ka nesorin'ny fanjakana tamin’izany fotoana izany, noho ny fitantanana tsy mahomby.

Ao ihany koa ny anabavin’ny mpitondra ny MAMA teo aloha.

Lasa lavitra ny raharaha ankehitriny satria dia efa misy ankehitriny ny fandrahonana maro samihafa manoloana ireo tale amperin’asa, ny MAMA anefa dia manana sata izay mifehy azy, izay mamaritra ny fanendrena ireo mpitondra sy mpitantana ao aminy, ka ny Assemblée Générale ihany no ahafahana manantanteraka izany, fa tsy ny fivazavazana eny amin’ny arabe akory no hitenenana hoe omeo anay ny fintantanana ny MAMA, fa misy lalàna mifehy ao, hoy hatrany ireto tompon'andraikitry ny MAMA ankehitriny ireto.

Miisa valo ireo ao anatin’ny conseil d’administration, eto anivon’ny MAMA ankehitriny, ny enina dia nofidiana tany amin’ny Assemblée Générale izay natao tamin’ny erin-taona ohatr’izao tany Nosy be, ka nahalany an’izy ireo tamin’ny fivoriam-be izay natao ireo, ny roa kosa izay nofidiana teto Antananarivo tamin’ireo solon-tenan’ny mpiasa, izay fifidianana mangarahara tokoa.

Manamafy hatrany izy ireo fa ara-dalàna tsara izy ireo ao anatin’ny fitantanana ity orin’asa ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.