Carlton: Ady atao amin'ny herisetra sy fanolanana ary ny fanararaotana ara-nofo

  • mardi, 10 décembre 2019 16:03
  • Sary Njaka

“Isika rehetra miady amin’ny herisetra, indrindra ny fanolanana”, izany no lohahevitra nobanjinina ny 6 desambra 2019 tetsy amin’ny Carlton Anosy, tao anatin’ny valan-dresaka arahina ady hevitra izay notronon’ireo mpiasa avy amin’ny ministeran’ny mponina sy ireo olo-tsotra.

Hita tokoa amin’ny fiainana andavanandro ireo endrika isehoan’ny herisetra sy ny fanolanana, raha araka ny tahan’isa misy eo amin'ny fanadiadiana natao tamin’ny 2018, izay milaza fa 32 isanjaton’ny vehivavy nohadiadiana dia niharan’ny herisetra tao anatin’ny 12 volana, ary 14 isanjaton’izy ireo no efa tratran’ny fanararaotana ara-nofo.

Raha ny eto Antananarivo manokana no jerena dia efa tafiakatra 18 isan-jato izany fanararaotana ara-nofo izany.

Fanetry be ho an’ny firenena izany satria ny fahamaroan’ny olona hiaran’ny herisetra dia mampihena ny olona afaka miasa sy mamokatra ary miakatra ireo olona tsy maintsy ho raisina an-tanana.

Naseho tamin'ity fihaonana ity ny fahafahana maneho hevitra manoloana izany herisetra izany, ilaina ny fiaraha-mientana ao anatin’izany mba hisy ny vokatra tsara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.