Rivodoza « Belna »: Nidina nijery ny zava-misy tao Mahajanga sy Soalala ny Praiminisitra

  • mardi, 10 décembre 2019 20:15
  • Sary nomena

Taorian’ny nandalovan’ny rivodoza Belna tamin’ny faritra andrefan’ny nosy dia nitarika delegasiona avy amin’ny governemanta, nidina tany Mahajanga I sy Soalala, izay niharan’ny loza, ny Praiminisitra Ntsay Christian, nijery ny fahavoazana sy nitondra fanampiana ho an’ireo traboina.

Hita tany an-toerana fa tao Mahajanga I dia olona 172 avy amina tokantrano 59 no tsy maintsy nafindra toerana. Maro ny zavatra simba tao amin’ny Distrikan’i Soalala, toy ny firodanan’ny fefiloha miaro ny tanàna, ny fiendahana tafon-trano, ny fahatapahan-jiro, ny vovo dibo-drano, ny tsy fisiana rano fisotro madio, ny mety ho fahasimban’ireo fanafody fiandry ao amin’ny CSB any an-toerana, ny faharendrehana botry iray. Izany rehetra izany dia niteraka fahavoazana ho an’olona miisa 1300.

Nanolotra vary 25 gony amin’ny 50kg, ary fitaovam-pidiovana sy fanadiovana, tamin’ny alalan’ny BNGRC ny fitondram-panjakana. Nanolotra savony lehibe miisa 120 ny DREEH sy ny UNICEF.

Hisy sambo 3 mitondra sakafo sy fitaovana toy tafo fanitso, kojakojan-dakozia, hiatrehana ny loza voajanahary, hidina any Soalala.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.