Bakalorea « 2ème session exceptionnelle »: Mitaraina ho mbola tsy nahazo ny volan’ny « Ordre de route » ireo mpitsara fanadinana

  • lundi, 16 décembre 2019 20:35

Roa volana latsaka aty aorian’ny nahavitan’ny bakalorea « 2ème session exceptionnelle », izay notanterahina ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra 2019 nanerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, mitaraina ireo mpitsara fanadinana fa tsy mbola nahazo vola solon’ny sarandalana na « Ordre de route » namitana iny fanadinam-panjakana iny.

Nanamafy ireo mpitsara fa « efa azo ny « vacation » fa ny OR (Ordre de route) no tsy mbola voaray, izay tokony ho 120 000 Ariary isan’olona eo ho eo ».

Nanome tohana ara-bola 10 miliara Ariary ny fiadidiana ny Repoblika nenti-nanana ny fanatontosana iny bakalorea « 2ème session exceptionnelle » iny. Tafiditra amin’io ve ny fandoavana ny « Ordre de route », hoy ireo mpitsara fanadinana. Misy amin’ireo mpiambina fanadinana ihany koa milaza fa tsy mbola naharay tambinkarama mihitsy.

Niisa 97 136 ireo mpiadina voasoratra anaratra tokony hiatrika iny fanadinana manokana iny, nitsinjara tamina foibem-panadinana niisa 299 nanerana ny Nosy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.