Fandraisana mpampianatra mpiasam-panjakana: 8500 ireo « contrat » kirakiraina « ampahibemaso » ao amin’ny INFP Mahamasina

  • mardi, 17 décembre 2019 22:57
  • Sary nindramina

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, androany, tetsy amin’ny INFP Mahamasina ny « Guichet Unique » izay ikirakirana « ampahibemaso » ireo antontan-taratasy ho an’ireo voaray ho mpiasam-panjakana ka natrehin’ny rehetra teny anivon’ny Cisco tsirairay.

Miisa 8500 ireo « contrat » ho karakaraina amin’izany, ka 700 no vinavinaina ho vitaina mialoha ny Noely. Fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny ministeran’ny Asam-panjakana ary ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa izy ity.

« Atao mangarahara, lavitry ny kolikoly, ary tsara tantana ny fanaovana ny fandraisana ho mpiasam-panjakana, izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny vinan’ny fitondram-panjakana », araka ny nambaran’ny minisitra Volahaingo Marie Thérese.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.