Tana Masoandro: Roa taona sazy miantona ho an'ireo nitolona ho an'Ambohitrimanjaka

  • vendredi, 20 décembre 2019 19:31
  • Sary Njaka

Namory ny mpanao gazety ireo olona voakasika tamin’ny resaka tetik’asa Tana Masoandro io maraina io, raha nilaza sy nitatitra momba ny fitsarana omaly nahazahoan’izy ireo sazy miantona roa taona.

Araka izany, dia tsy misy ny filaminana hoy izy ireo, ary mbola hita taratra hatrany ny fandrahonana ankolaka na mivantana, nisy ihany koa ny fialan’ny fanjakana andraikitra tamin’ireo niaram-boina nandritry ny hetsika teny Ambohitrimanjaka, izay nilaza ny avy eo amin’ny fitondra-panjakana fa handray an-tanana ny fitsaboina iray manontolo mandrapaha-sitran’ireo olona izay voatifitra teny an-toerana io.

Nilaza ihany ko ny tale jeneralin’ny APIPA Andriamatoa RATELOSON Phillipe fa hanelanelana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny vahoakan’Ambohitrimanjaka, saingy nisy ny fivadiam-pahatokisana nataony amin’ny fandoavana ny tambin’ny vidin’ny tanim-bary araky ny voalazan'ireto solotena ireto ihany.

Nisy araka izany ny asa mangina nataon’ny fitondram-panjakana ary dia fampandriana adrisa no tsapan’ny vahoakan’Ambohitrimanjaka.
Niezaka izy ireo mba hampahafantatra ny mpiray tanindrazana rehetra fa ity lemaka ity dia tadindonin-doza, izay kasain’ny fitondram-panjakana hototofana, ka ilay maha Malagasy ny Malagasy mihitsy, sy ilay vakoka no kitihina, izany hoe tsy ny fivoarana no lavinay hoy izy ireo, fa ilay famotehina ny fiveloman’ireo mponina ao anatin’ny kaominina efatra, izay efa nanaovana antso avo mba hamindrana ilay tetik’asa Tana Masoandro.

Miantefa any amin’ny tale jeneralin’ny APIPA ny hafatra ataon’ny vahoakan’Ambohitrimanjaka fa tsy azo zimbazimbaina ny tanindrazan’izy ireo, fa ny rano tondraka eto Antananarivo aza tsy voavaha dia ny raharahan’Ambohitrilanjaka no atao, ary manana raiamandreny afaka manantanteraka izany izahay hoy hatrany izy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.