Antsirabe: Niampy ny fotodrafitrasan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany

  • samedi, 21 décembre 2019 13:38
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Notokanana ny zoma 20 desambra ny efitrano faharoan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antsirabe. Efitrano Fitsarana efa nisy ihany izy ity saingy nasiana fanitarana sy fanavaozana ka izao vita soamantsara izao.

Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana Randrianasolo Jacques, izay tonga nitokana ny fotodrafitrasa fa « ny tanjona dia ny fanafainganana ny fitsarana ka tsy hiverimberenan’ny olona manan-draharaha amin’izany ». Nantitrateriny fa « tsy handefitra mihitsy amin’ireo mpitsara manao tsirambina ny asany na voarohirohy amina heloka » ny tenany.

Tokony hirindra hoy izy ny fanadihadiana izay ataon’ny mpitandro filaminana, mba hisazy ireo meloka, satria miankina amin’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ny didim-pitsarana.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.