Masoivohin’i Korea: Nanolotra boky « angano sy kolontsaina Koreana-Malagasy » ho an’ny mpianatry ny EPP

  • lundi, 23 décembre 2019 21:57
  • Sary MENETP

Tonga niara-nanangan-tsaina niaraka tamin’ny mpiara-miasa teo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak’Asa ny Masoivohin’i Korea androany maraina. Taorian’izay no nanolorany boky mirakitra « angano sy kolontsaina Koreana-Malagasy » miisa 3 300 ho an’ny mpianatra eny anivon’ny EPP ka hisitraka izany ny faritra telo, dia Analamanga, Boeny ary Vatovavy Fitovinany.

Ahitana angano miisa 20 ilay boky, ka ny 10 amin’izany nosoratan’i Esther Randriamamonjy ary ny 10 ambiny kosa angano koreana izay nadika tamin’ny teny malagasy.

Anisany tanjona amin’izao hetsika izao ny hampitombo ny fitiavan’ny ankizy ny vaky boky sy ny fanapariahana ny kolontsaina Malagasy ary ny fisokafana amin’ny kolontsaina vahiny.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.