Fikambanana Miahy Ambinintsoa: Nanolotra kilalao ho an'ny ankizy sahirana

  • jeudi, 26 décembre 2019 08:47
  • Sary nomena

Ny fikambanana Miahy Ambinintsoa, amin'izao fetin'ny Noely sy taom-baovao izao dia nahatsiaro manokana ireo ankizy sahirana, ireo be antitra, ka nanolotra kilalao sy vary ary menaka ho an'ireo zaza sy be antitra sahirana.

Ny fikambanana dia manana clinique, fitsaboana eo Amboaroy Antehiroka sy 67ha Ambodirano Ampefiloha. Mikarakara fahasalaman'ny reny sy ny zaza, tanora lahy sy vavy ary ireo be antitra.

Manana Dr Généraliste 1, Dr gynéco 1, Dr chirurgien 2, Anesthésiste sy réanimateur 1, Infirmiers 3, Sage femme 3, misy pharmacie kely amin'ny urgence, ary misy garde.

Fifanoloran-tanana avokoa no ampandehanana ny toeram-pitsaboana, izay ramatoa Tianavelo Sophia Aicha, monina any ivelany no nanorina ny fikambanana, ary miahy izany tobi-pitsaboana sy fikambanana manao asa soa izany.
Misokatra amin'ireo malala-tanana rehetra ny fikambanana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.