Fisorohana ny valanaretina: Tobim-pahasalamana fototra miisa 404 novatsiana "frigo solaire".

  • dimanche, 29 décembre 2019 19:30

Fomba iray miaro ny vahoaka amin'ny valanaretina ny fanaovana vaksiny. Antoka lehibe mampahomby ny vaksiny ny fanajana ny fenitry ny fitahirizana azy na "Chaine de froid".

Vata fampangatsiahina fitahirizana vaksiny mandeha amin'ny herin'ny masoandro (frigo solaire) miisa 404 no naparitaky ny Ministeran'ny Fahasalamana sy ireo mpiara-miombona antoka manerana ireo Tobim-pahasalamana fototra (CSB) eto Madagasikara.

Efa tafapetraka eny anivon'ireo CSB manerana ny Nosy ireo vata fampangatsiahina fitahirizana vaksiny ireo.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.