Mpampianatra ho mpiasam-panjakana: Vita ny « contrat » ho an’ireo mpampianatra 700 andiany voalohany

  • mardi, 31 décembre 2019 09:46
  • Sary MENETP

Ny solontenan’ireo mpiofana nanaraka fiofanana nandritrany roa taona mahery tamin’ireo CRINFP (Centre Régional de l'Institut National de Formation Pédagogique) manerana ny Nosy no nisantatra ireo mpampianatra horaisina ho mpiasam-panjakana. Vita ny alatsinainy 30 desambra ny « contrat » ho an’ireo andiany voalohany, izay miisa 700 amin’ireo 8.500 horaisina, ary handray ny asany avy hatrany izy ireo.

Fanambin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa ny hahavitan’ireo « Contrat » ambiny amin’io volana Janoary 2020 io.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.