"Panier garni" : Fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra no namaritana ilay 65 000 Ariary

  • mardi, 07 janvier 2020 22:29

« Mitentina 65 000 Ar "panier garni" omena ny mpiasam-panjakana eo anivon'ny Minisitera tsirairay. Ny Filan-kevitry ny Minisitra dia namaritra io vola io. Tsy mifanaraka amin'ny tapaka tao anatin'ny Filan-kevitry ny Minisitra araky ny toromarika nomen'ny Filohan'ny Repoblika ny fizarana lelavola ankoatra izay », hoy ny fanambarana nataon’ny governemanta androany manoloana ny olana miseho eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, Teknika ary Arak'asa, momba ny fizarana io "panier garni" avy amin'ny Filoham-pirenena io.

Misy ankehitriny ny fanadihadiana ataon'ny Inspection Générale d'Etat (IGE) mba hahafantarana ny tompon'andraikitra voakasik'izany, ary miankina amin'ny vokatry ny fanadihadiana ataon'ny IGE ny fepetra horaisina.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.