Fahasalamam-bahoaka: Nanolotra fitaovana ara-pitsaboana maoderina mitentina 4,5 tapitrisa dolara ny Amerikanina

  • vendredi, 17 janvier 2020 19:22
  • Sary nomena

Hanampiana ny mpiasan’ny fahasalamana hanatsarana ny kalitaon’ny asa ara-pahasalamana amin’ireo tobim-pahasalamana eto Madagasikara ireo fitaovana ara-pitsaboana maoderina mitentina 4,5 tapitrisa dolara, natolotry ny fanjakana amerikanina, amin'ny alàlan'ny Sampandraharaha Amerikana Misahana ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena (USAID) ireo.

Homena ny tobim-pahasalamana any amin'ny faritra 10 eto Madagasikara iasan’ny tetikasa ACCESS ny fitaovana ara-pitsaboana, izay ahitana fandrianan’ny hopitaly, fangalana tosi-drà, stéthoscopes sy maro hafa, raha toa ka atokana ho an'ny tobim-pahasalamana fototra sy ny hopitalin’ny Distrika ary ny biraon'ny fahasalamana ao amin'ny Distrika ny solosaina « tablette » sy ny laptop.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.