Taom-pambolenkazo 2020: 12 000 mahery no niara-namboly zanakazo teny Tampoketsa

  • dimanche, 19 janvier 2020 22:43
  • Sary nindramina

Tombanana ho maherin’ny 12 000 ireo tonga teny Firarazana- Tampoketsa, Distrikan’Ankazobe androany tamin’ny fanombohana ofisialy ny taom-pambolenkazo 2020. Zanakazo manodidina ny 1 200 000 no novolena tamina velarantany 500 ha nandritra izany.

Nandray anjara ny mpiasam-panjakana, ny avy amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpiara-miombon'antoka, ny olon-tsotra, ny avy amin’ny Foloalindahy. Toy izany koa ny teny anivon’ny Faritra. Tanjona ny hambolena zanakazo 60 tapitrisa amin’ity taona hankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena ity.

Nitarika izany teny an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian.

Nosantarina teny Firarazana androany ny fampiasana ireo fomba moderina toa ny famafazana amin’ny alalan’ny fiaramanidina.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.