Sport

    • samedi, 14 décembre 2019 19:00
    • Sary nindramina

    Kitra - COSAFA U20: Madagasikara 1-5 Angola

    Resin’i Angola tamin’ny isa mazava 5 noho 1 i Madagasikara androany tamin’ny lalao fiadian-toerana amin’ny COSAFA U20 tanterahina any Zambia. Nifarana ao amin’ny laharana fahaefatra i Madagasikara tamin’ity fifaninanana ity.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 12 décembre 2019 23:29
    • Sary FMF

    Kitra- COSAFA U20: Nifarana teo amin’ny manasa-dalana ny dian’i Madagasikara

    Resy teo amin’ny fandakana « Tirs au but » i Madagasikara nanoloana an’i Afrika Atsimo, rehefa nirava ady sahala 2 noho 2 taorian’ny fe-potoana ara-dalàna. Efa nitarika 2 noho 0 i Madagasikara teo amin'ny fizaram-potoana voalohany. Teo amin'ny minitra fanampiny (90+2) ny Afrikana Tatsimo no nahasahala ny isa. Tafiditra avokoa ny baolina dimy nodakan’ny Bafana Bafana Afrikanina tatsimo nandritra ny « Tirs au but » raha toa ka efatra no matin’ny Barea an’i Madagasikara. Nomontsanin’i Zambia, mpampiantrano, tamin’ny isa 3 noho 0 kosa i Angola teo amin’ny lalao manasa-dalana faharoa androany. Hihaona amin’ny famaranana an’ity COSAFA U20 ity i Zambia sy Afrika Atsimo. Hiady laharana fahatelo kosa i Madagasikara sy Angola, lalao izay hatao amin’ny sabotsy 14 desambra 2019 izao ao amin’ny kianja Nkoloma Stadium ao Lusaka. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 décembre 2019 18:02
    • Sary nindramina

    Kitra – COSAFA U20: Tafita amin’ny dingan’ny manasa-dalana i Madagasikara

    Nandresy an’ny nosy Maorisy tamin’ny isa 2 noho 1 i Madagasikara androany. Efa nitarika tamin’ny isa 2 noho 0 isika teo ampialan-tsasatra. Fandresena roa sy ady sahala iray no azon’i Madagasikara tamin’ireo lalao telo nataony, vokatra izay mitondra azy ho amin’ny dingan’ny manasa-dalana. Hihaona amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara amin’ny lalao manasa-dalana voalohany, ary i Zambia mpampiantrano sy Angola ny lalao manasa-dalana faharoa, izay samy hotanterahina amin’ny 12 desambra izao. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 08 décembre 2019 19:42
    • Sary FMF Madagascar

    Kitra - COSAFA U20: Madagasikara 1 # 1 Afrika Atsimo

    Nirava ady sahala, 1 noho 1 ny Barea an’i Madagasikara sy ny Bafana Bafana Afrikanina Tatsimo, androany tao Zambia. I Madagasikara no nampidi-baolina voalohany, tamin'ny alalan'i Avizara (55'), raha toa ka samy tsy nisy nitoko ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, izay vao nosahalain’ny Afrikana Tatsimo. Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra iny lalao iny i Balvano, mpiandry haraton’ny Barea an’i Madagasikara. Samy nahavita lalao faharoa avy izao ny ekipa roa tonta. Ny nosy Maorisy no ekipam-pirenena manaraka hifandona amin’i Madagasikara, raha i Lesotho kosa no ho adverseran’i Afrika Atsimo. (Jereo Sary Tohiny)    
    Lire la suite ...
    • mardi, 03 décembre 2019 15:31
    • Sary nindramina

    Mahamasina: Raikitra ny Lalaon’ireo atleta manana fahasembanana eto amin’ny ranomasimbe Indianina

    Nosokafana ofisialy androany tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny Lalao ara-panatanjahantena ho an’ireo atleta manana fahasembanana eto amin’ny ranomasimbe Indianina. Andiany faha-18 izy ity, andraisan’ny Nosy efatra anjara dia i La Réunion, Maurice, Comores ary Madagasikara mpampiantrano. Efatra ihany koa ny taranja ifaninanana dia baskety, tsipy kanety be, tenisy ary ny boccia. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 01 décembre 2019 14:37

    Rugby-Amboaran’i Afrika: Madagasikara # Nizeria

    Hihaona etsy amin’ny Kianja Monisipaly Mahamasina izao tolakandro izao ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny Rugby na Makis de Madagascar sy ny Black Stallions Nizeriana. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika izy ity.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 novembre 2019 23:43
    • Sary nindramina sy Sary Gasypatriote

    Kitra-Fifanintsanana CAN: Nomontsanin’i Madagasikara 6 noho 2 tao an-taniny i Niger

    6 noho 2, io no isa nisarahan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny « Mena » an’i Niger io hariva io tao amin’ny kianja Général Seyni Kountché ao Niamey renivohitr’i Niger. Ny ekipan’i François Zahoui no nanokatra ny isa voalohany, avy eo nosahalain’i Bôlida minitra vitsy monja taorian’izay, ary dia nanao ranolava ny isa azon’i Madagasikara. Namono baolina faharoa i Bôlida, nampian’i Abel Anicet (penalty) sy Andrea Carolus. Nitarika 4 noho 1 teo ampialan-tsasatra. Mbola namono baolina roa ny Malagasy tamin’ny fidirana faharoa, baolina matin’i Voavy Paulin sy Jérémie Morel. Nivoaka mpandresy ny Malagasy. Sambany teo amin’ny tarantaran’ny baolina kitra Malagasy no nandresy tany an-tanin’olona tamin’ny elanelan’isa lehibe toy ity androany ity ny ekipam-pirenena Malagasy.
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 novembre 2019 10:18
    • Sary nindramina

    Faneva Ima: Lasa « Ambasadaoron’ny Jovena »

    Vita omaly ny fifanarahana teo amin’i Andriatsima Faneva Ima, kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra teo aloha sy ny Jovena, orinasa mpaninjara solika eto Madagasikara. Mpitarika mahomby i Faneva Ima, loharanon’angovo nampientana ny Vahoaka Malagasy ary mamaritra ny soatoavin’ny orinasa Jovena ; izay no anisan’ny naharesy lahatra an’ity orinasa ity nifidy azy ho Ambasadaorony. Ho hita amin’ireo toby mpaninjara sy amin’ireo serasera ataon’ny Jovena ny sarin’ity mpilalao baolina kitra malagasy ity.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 18 novembre 2019 16:00
    • Sary nomena

    Stade Omnisport d'Antsiranana: Hovitaina ato anatin’ny enim-bolana

    Mitohy ny asa fanamboarana ny Stade Omnisport d'Antsiranana rehefa nihitsoka nandritra ny dimy taona teo. Nanomboka tamin’ny volana mey 2019 ny asa, ary hovitaina ato anatin’ny enim-bolana, ary ho afaka handraisana lalao iraisam-pirenena. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • samedi, 16 novembre 2019 15:06

    Barea: Andeha mivantana TVM manerana ny nosy

    Hita tao amin'ny Pejy facebook n'ny Filoham-pirenena MISY VAHAOLANA NY OLANA REHETRA. ALEFA MIVANTANA TVM NY LALAO ETO MAHAMASINAFantatro ny fitiavan'ny Malagasy ny Barea. Tsapako sy reko ny hetahetan’ny mpankafy baolina kitra Malagasy manerana an'i Madagasikara te hanaraka mivantana ny lalao atao eto amin'ny kianjaben'i Mahamasina iadian'ny Barea sy ny Etopia ny fifanintsanana CAN 2021. Androany tontolo andro dia nitady vahaolana ny tenako sy ny minisitra tomponandraikitra, koa ampifaliana no ilazako etoana amintsika fa hoampitaina mivantana manerana ny Nosy amin'ny alàlan'ny TVM- haino amanjerim-panjakana ny lalao anio eto Mahamasina.ALEFA BAREA Ny Filoha Andry Rajoelina
    Lire la suite ...
Page 1 sur 66