Kitra - Arabia Saodita: Mpampidi-baolina be indrindra amin’ny « Prince Mohammed League » i Carolus

  • jeudi, 16 mai 2019 10:31
  • Sary nindramina

Nifarana ny alarobia alina ny fifaninanana baolina kitra diviziona faharoa amin’ny « Prince Mohammed League » any Arabia Saodita, izay hilalaovan’i Andriamahitsinoro Charles Carolus na « Carolus ».

22 baolina matin’i Carolus nandritra ny taom-pilalaovana, ary naha voahosotra azy ho mpamono baolina tsara indrindra.
Tafakatra hifaninana amin’ny Diviziona voalohany ny klioban’ny Ohud Médine ilalaovany amin’ny taom-pilalaovana ho avy.

29 taona izao i Carolus. Lohalaharana ny toerana eny ambony kianja. Isan’ireo 23 lahy notsongain’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy (Barea) hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika na CAN 2019 hatao any Egypta i Carolus.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.