Andriatsima Faneva Imà: Niala tany Frantsa ary milalao any Arabia Saodita indray

  • mercredi, 21 août 2019 20:59
  • Sary nomena

Abha Club, io indray no klioba vaovao hilalaovan’i Andriatsima Faneva Imà, kapitenin’ny Barea. Efa ofisialy ny fifindrany any amin’ity klioba mivoatra amin’ny diviziona voalohany any Arabia Saodita, efa vita ny fifanaraham-piaraha-miasa.

Niala tany Frantsa izany i Andriatsima Faneva Imà, firenena nilàny ravinahitra nanomboka tamin’ny 2008, ka nifandimbiasany nilalao tamin’ny klioban’ny FC Nantes, Sochaux ary Clermont Foot 63.

Samy milalao any Arabia Saodita izany izao i Andriatsima Faneva Imà sy Carolus Andrea, ity farany izay milalao ao amin’ny Al-Adalh FC.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.