Nicolas Dupuis: Hanoy ny fitantanany sy ho mpanazatran'ny Barean'ny Madagasikara

  • jeudi, 22 août 2019 21:29
  • Sary Njaka

Nanao tatitra sy nanazava ireo zava-bitany andriamatoa Nicolas Dupuis io maraina io teny amin'ny Carlton Anosy.

Efa fahombiazana lehibe hoy izy iny vokatra farany teo iny ary tsy nampitsanga-menatra ny Malagasy tsivakivolo.

Maro anefa ny ezaka mbola ho arenina, ary nilaza izy fa hisy ny fitsongàna ireo mpilalao manerana ny nosy hoan'ny fifanitsanana manaraka eo.

Misy ny fotodrafitr'asa izay nampanantenain'ny fitondram-panjakana dia ny fananganana sy fanavaozana ny kianja filalaovam-baolina, ary ihany koa sekoly mpamolavola eo amin'ny tontolon'ny baolina kitra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.