Kitra - Njiva: Lasa omaly namonjy ny FC Fleury 91, klioba ilalaovany any Frantsa

  • vendredi, 04 octobre 2019 12:54
  • Sary Odon Marius Randrianiaina

Nalain’i Nicolas Dupuis hanatevina ny FC Fleury 91, izay izy no mpanazatra azy, Rakotoharimalala Njiva Tsilavina Martin na i Njiva araka ny ahafantaran’ny maro azy.

Tamin’ny fiandohan’ny volana jolay 2019 no vita ny fifanarahana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Ny alakamisy 3 oktobra 2019 i Njiva no niala teto Madagasikara namonjy io klioba hilalaovany io, rehefa tomombana avokoa ny antotan-taratasy hipetrahany any Frantsa.

Amin'ny sabotsy 5 oktobra 2019 i Njiva no haseo amin'ny fomba ofisialy amin'ireo mpitia ny FC Fleury 91 ao amin’ny kianja Robert-Bobin, Bondoufle any Essonne.

Mpilalao tao amin’ny Cnaps Sport i Njiva ary isan’ireo 23 lahy niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny CAN 2019 tany Ejipta. 27 taona izy izao, mpanafika amin’ny elatra havia ny toerany ao amin’ny ny FC Fleury 91, klioba mifaninana amin'ny "National 2" any Frantsa.

 
 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.