Kitra - COSAFA U20: Madagasikara 1 # 1 Afrika Atsimo

  • dimanche, 08 décembre 2019 19:42
  • Sary FMF Madagascar

Nirava ady sahala, 1 noho 1 ny Barea an’i Madagasikara sy ny Bafana Bafana Afrikanina Tatsimo, androany tao Zambia.

I Madagasikara no nampidi-baolina voalohany, tamin'ny alalan'i Avizara (55'), raha toa ka samy tsy nisy nitoko ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, izay vao nosahalain’ny Afrikana Tatsimo.

Voahosotra ho mpilalao mendrika nandritra iny lalao iny i Balvano, mpiandry haraton’ny Barea an’i Madagasikara.

Samy nahavita lalao faharoa avy izao ny ekipa roa tonta. Ny nosy Maorisy no ekipam-pirenena manaraka hifandona amin’i Madagasikara, raha i Lesotho kosa no ho adverseran’i Afrika Atsimo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.