Kitra – COSAFA U20: Tafita amin’ny dingan’ny manasa-dalana i Madagasikara

  • mardi, 10 décembre 2019 18:02
  • Sary nindramina

Nandresy an’ny nosy Maorisy tamin’ny isa 2 noho 1 i Madagasikara androany. Efa nitarika tamin’ny isa 2 noho 0 isika teo ampialan-tsasatra. Fandresena roa sy ady sahala iray no azon’i Madagasikara tamin’ireo lalao telo nataony, vokatra izay mitondra azy ho amin’ny dingan’ny manasa-dalana.

Hihaona amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara amin’ny lalao manasa-dalana voalohany, ary i Zambia mpampiantrano sy Angola ny lalao manasa-dalana faharoa, izay samy hotanterahina amin’ny 12 desambra izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.