Kitra- COSAFA U20: Nifarana teo amin’ny manasa-dalana ny dian’i Madagasikara

  • jeudi, 12 décembre 2019 23:29
  • Sary FMF

Resy teo amin’ny fandakana « Tirs au but » i Madagasikara nanoloana an’i Afrika Atsimo, rehefa nirava ady sahala 2 noho 2 taorian’ny fe-potoana ara-dalàna. Efa nitarika 2 noho 0 i Madagasikara teo amin'ny fizaram-potoana voalohany. Teo amin'ny minitra fanampiny (90+2) ny Afrikana Tatsimo no nahasahala ny isa.

Tafiditra avokoa ny baolina dimy nodakan’ny Bafana Bafana Afrikanina tatsimo nandritra ny « Tirs au but » raha toa ka efatra no matin’ny Barea an’i Madagasikara.

Nomontsanin’i Zambia, mpampiantrano, tamin’ny isa 3 noho 0 kosa i Angola teo amin’ny lalao manasa-dalana faharoa androany.

Hihaona amin’ny famaranana an’ity COSAFA U20 ity i Zambia sy Afrika Atsimo. Hiady laharana fahatelo kosa i Madagasikara sy Angola, lalao izay hatao amin’ny sabotsy 14 desambra 2019 izao ao amin’ny kianja Nkoloma Stadium ao Lusaka.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.