Bisikileta – « Tour de Madagascar »: Tompondakan’ny andiany faha-15 i Rakotoarivony Mazoni

  • dimanche, 15 décembre 2019 20:22
  • Sary nindramina

Fihodinana in-telopolo ny farihin’Anosy amin’ny halaviran-dalana 90km no namarana ny « Tour de Madagascar » amin’ny hazakazaka am-bisikilety andiany faha-15 androany.

Voahosotra ho tompondaka tamin’ity andiany ity Rakotoarivony Mazoni ka nosalorana ny akanjo mavo. Ny ekipan'ny BOA Madagasikara ihany koa no nibata ny amboara teo amin'ny filaharana isam-bondrona.

I Amedé Houlder, 19 taona, teratany Malagasy no zandriny indrindra tamin'ireo mpandray anjara.

Any Toliara no hiainga ny « Tour de Madagascar » andiany faha-16 amin'ny taona 2020.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.