Kitra – UFFOI U20 zazavavy: Tompondaka ny Barea Madagasikara

  • dimanche, 22 décembre 2019 22:23
  • Sary nindramina

Nahazo isa 10 tamin’ny lalao efatra vitany, ka fandresena telo sy ady sahala iray. Izay vokatra izay no nitondra ny Barea Madagasikara sokajy zazavavy latsaky ny 20 taona, ho tompondakan’ny UFFOI (Union des Fédérations de Football de l'Ocean Indien) taona 2019 nandritra ny fifaninanana natao tatsy amin’ny nosy Maorisy.

Vondrona tokana no nisy ireo nosy dimy nandray anjara, ka teo amin’ny laharana faharoa taorian’i Madagasikara i La Réunion, fahatelo i Mayotte, fahaefatra i Maorisy mpampiantrano, ary fahadimy ny nosy Rodrigues. Tsy nandray anjara i Seychelles.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.