Kitra – CAN 2021: Hatao ny volana janoary sy febroary toy ny tany aloha

  • mercredi, 15 janvier 2020 20:38
  • Sary nindramina

Hotanterahina ny 9 janoary ka hatramin’ny 6 febroary 2021 ny dingana famaranana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra, na ny CAN 2021, izay hatao any Cameroun.

Vanimpotoanan’ny orana ny jona sy jolay any Cameroun, tsy toy ny tany Egypta ny taona 2019, ka izay no nandrosoana azy ho janoary-febroary, araka ny tapaka nandritra ny dinika nifanaovan’ny mpitondra any Cameroun sy ny mpitantana ny Kaonfederasiona afrikana amin’ny baolina kitra (CAF) tao Yaoundé, androany 15 janoary 2020.

(Jereo sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.