Kianja Barea: Narodana ireo « tribunes latérales » roa etsy Mahamasina

  • mardi, 21 janvier 2020 13:46

Miroso ny fandravana ireo fotodrafitrasa hasiam-panavaozana etsy Mahamasina, hanorenana Kianja Barea. Ny fandravana ireo « tribunes latérales » roa no nisantarana azy, taorian’ny famefena ny faritra tsy ho azon’ny besinimaro ifemezivezena.

Raha ny tetiandro dia haharitra 18 volana ka hizara roa ny fizotry ny asa. Hisantarana ny azy ny « tribunes » izay harodana ary havaozina tanteraka ka hovitaina mialoha ny 26 jona 2020.

Hitohy hatramin’ny volana jona 2021 ny asa. Hahazaka mpijery 40 880 ny kianja rehefa vita, ka 15 536 ny toerana eny amin’ny « tribunes », hiampy toerana vaovao miisa 9 704 ny eny amin’ny « gradins », ankoatra ireo 15 640 amin’izao fotoana izao.

Hisy vavahady lehibe 6 fidirana ao amin’ny kianja, 28 tohatra fidirana sy fivoahana eny amin’ny « gradins » sy « tribunes ».

Bozaka « hybride » manaja ny fenitry ny FIFA no hapetraka ao amin’ny kianja.

Mitentina 77 tapitrisa dôlara na 285 000 000 000 Ariary (1 425 000 000 000fmg), vola madiodion’ny fanjakana malagasy, ny asa fanamboarana ny kianjan’i Mahamasina mba hanara-penitra, ka hitondra ny anarana « Kianja BAREA » rehefa vita.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.