Mpanendaka Taxi-Be: Telo lahy voasambotry ny Polisy PPA4

  • vendredi, 17 mai 2019 15:05
  • Britto
  • Sary: Polisy PPA4

Andian-jiolahy manendaka sy mangalatra entan'ireo olona mandeha Taxi-Be zotra Ivato-Vassacos no tra-tehaky ny Polisin'Antaniavo Antohomadinika - Antananarivo (PPA4) ny alarobia 15 mey 2019, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro.

Taxi-Be mandeha no nampidinin'izy ireo ilay entana ary nentin'izy ireo nitsoaka. Noho ny fitohanana dia mandeha mora ny fiara hany ka mora amin'izy ireo no nanao ny asa ratsy.

Polisy nanao fisafoana no nahatsikaritra fa misy mamaha ny entan'ireo mpandeha, ny sasany manaraka sady mandray izay tafavoaka. Noraisim-potsiny teo ambony Taxi-Be ny iray, ny roa nitondra ny entana nitsoaka saingy voasambotra.

Natolotra ny Fampanoavana ao amin’ny Tribonaly Anosy androany izy telo lahy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.