Mahajanga: Raim-pianakaviana nitsoraka tao ambany kamiao, maty tsy tra-drano

  • vendredi, 17 mai 2019 15:24
  • Britto
  • Sary nindramina

Teo amin’ny toerana antsoina hoe : Plaque Barday Sotema no nitranga ny loza androany maraina. Tsy nisy nanampo ny nitsorahan’ity raim-pianakaviana ity tao ambany kamiao sendra nandalo.

Famonoan-tena no fahitan’ny manodidina azy. Fotoana fohy talohan’io dia voalaza fa efa nanindron-tena tamin’ny antsy ilay raim-pianakaviana no nisy nananakana kinanjo io nitsoraka tao ambany kamiao io. Maty tsy tra-drano izy, ary nipotsaka ny atidohany.

Olona mipetra manodidina ny toerana nitrangan’ny loza izy. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.