Toamasina: Voasambotry ny Polisin’ny FIP ireo mpivarotra sy mpidoroka « héroïne »

  • vendredi, 17 mai 2019 15:28
  • Britto
  • Sary nindramina

Tovolahy vao herotrerony miisa 05 mpitsindrona « héroïne » no saron’ny FIP Toamasina omaly alakamisy 16 mey. Nahitana diana tsindrona maro ny tanan’izy ireo. Vidina 80 000 Ar ny iray grama. Manao tsipaipaika izy ireo ividianana ilay zavamahadomelina mahery vaika, dia ifampizarana izay azo.

Tratra tany koa ireo kojakoja nampiasain’izy ireo amin’ny fitsindromana an’ilay « héroïne » sy kojakoja sy ny tambavy fampidinana ny heriny raha sendra mamo loatra.
Voasambotra ihany koa ny mpivady fividianan’izy ireo ny « héroïne ». Sady mpivarotra no mpitsindrona ihany koa ilay rangahy.

Olona maro mpampiasa io zavamahadomelina mahery vaika io no mbola karohina eto Toamasina amin’izao fotoana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.