Antananarivo: Fiara roa mitondra mpanao gazety voatafika

  • vendredi, 17 mai 2019 21:55
  • Britto

Fiara manatitra mpiasa hody avy niasa ireto nisy nanafika ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 17 mey 2019 ireto. Teo Andravoahangy iray, tora-bato no nikendren’ireo hampijanonana ilay fiara minibus Nissan. Mailo ny mpamily ka ny nirifatra nanafaingana ny dia. Vaky ny fitaratry ny fiara.

Teny Anosipatrana ny faharoa, nitam-basy ireo jiolahy. Tsy afa-nandroso ny fiara. Voaroba ny tao anaty fiara, lasan’ireo jiolahy hatramin’ny lakilen’ny fiara, ka tsy afa-nihetsika.
Fiara sendra nandalo no nanavotra, nampindrana finday nampandrenesana ny toeram-piasana, izay nandefa fiara hanaterana ireo mpiasa.

Tsy nisy aina nafoy, saingy horohoron-tsaina sy tebiteby no niainan’ireto mpiasan-gazety ireto iny alina iny.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.