Tagnamaro: Polisy 633 no niara-nanadio sy nanentana amin’ny fahadiovana

  • samedi, 18 mai 2019 18:05
  • Britto
  • Sary nindramina

Nandray anjara tamin’ny Tagnamaro ny teto anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka androany. Polisy miisa 633 no niara-nanadio sy nanentana amin’ny fahadiovana tamin’ity andiany faha-3 ity.

Fanadiovana faobe, fanentanana ho amin’ny fitandroana ny fahadiovana, ary tolo-tanana tamin’ny alalan’ny fanomezana kifafa miisa 100 avy amin’ny Police Urbaine d’Antananarivo ho an’ny Fokotonany Andohatapenaka no natao androany.

Lalana miala eo 67ha hatrany Ampasika, lalana manoloana ny Tranombokim-pirenena Anosy, lalana manoloana ny Radio Nasionaly Malagasy (RNM) sy ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ary ny lalana manoloana ny Boriborintany faha-04 Anosikely no nanatanterahan’ny Polisy an’ity Tagnamaro ity.

Nandraraka vatokely sy tara (goudron) nanentsenana ireo lavadavaka amin’ny arabe teo Anosikely ihany koa ny Polisy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.